Mahakasika ity farany manokana dia nitondra ny fanehoan-keviny ny vondrona politika avy amin’ny Mapar tamin’ny alalan’ny Razafitsiandraofa Brunel mpikambana izay nilazany fa “sarotra ny hanatanterahana izany satria tsy mampilamina ny firenena. Heveriko fa fotoana izao no tokony handinihan’ny rehetra ary handinihana tsara fa tsy ho baikon’izay kajikajy sy izay eritreritra manokana any fa tokony handinika tsara hoe inona no mahasoa sy mahatsara an’ilay firenena, ary inona no hampilamina ny fiarahamonina malagasy”, hoy ny fanehoan-kevitra noentiny mahakasika ity tetika fanilihana kandidà ity. Tato anatin’ny roa herinandro nifanesy izay dia nandeha ny tsilian-dresaka fa misy kandidà maromaro tiana hailika mba tsy hilatsaka mandritra ny fifidianana izay ho filoham-pirenena hatao amin’ity taona ity. Araka ny loharanom-baovao voaray dia ahiana hasiam-panitsiana ao anatin’ilay lalàm-pifidianana fa ny olona voalaza fa manana raharaham-pitsarana dia tsy mahazo milatsaka, izay mazava ho azy fa misy tiana kendrena ao anatin’izany. Ankoatr’izay dia voalaza fa hasiam-panitsiana ihany koa ny taonan’ireo mpifaninana afaka milatsaka. Samy manahy amin’ny mety hisian’ny korontana sy disadisa eto amin’ny firenena na ny antoko politika na ireo fikambanana isan-tokony.Īmin’ny ankapobeny dia tsy misy afatsy antony iray no heverin’ny rehetra ho mahatonga izany dia ny fisian’ny kajikajy maloton’ny mpitondra ankehitriny manao ny fomba rehetra hifikirana eo amin’ny fitondrana. POLITIKA MAPAR : “Tsy hampilamina ny firenena ny hisian’ny kajikajy politika ratsy”